Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izy, ary ireo dia napetrany tao amin’ny tanàna fitoeran-kalesiny, ary tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
2Tantara 8:6 - Baiboly Katolika I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra. DIEM PROTESTANTA toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanàna rehetra fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan’i Salômôna avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanàna rehetra fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan’i Salômôna avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny. Baiboly Protestanta Malagasy ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra. Malagasy Bible ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra. La Bible en Malgache tahaka izany koa i Baleta, ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Solomona, ny tanàna rehetra fitoeran’ny kalesy fitondra miady, ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra. |
Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izy, ary ireo dia napetrany tao amin’ny tanàna fitoeran-kalesiny, ary tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
Nanao ilay trano Alan’i Libàna izy, ka zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny haavony; andry sedera efatra andalana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin’ny andry.
Nony vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra sitrak’i Salômôna sy izay niriny,
Nanangona kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.
Dia nanorina an’i Tadmora tany an’efitra izy, mbamin’ireo tanàna fitahirizana rehetra any amin’ny faritanin’i Etama.
Naoriny koa i Betôrôna ambony sy i Betôrôna ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady ary karetsaka hazo.
Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jebôseanina izay tsy isan’i Israely,
Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko, avia hiaraka amiko, avy any Libàna! Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna, avy eny an-tampon’i Sanira sy i Hermôna, avy any amin’ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.