Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 8:12 - Baiboly Katolika

Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay i Salômôna dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan’ny vavahadin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay i Salômôna dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan’ny vavahadin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah teo ambonin’ny alitaran’i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ny lavarangana fidirana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany i Solomona dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO, izay naoriny teo anoloan’ny lalantsara fidirana;

Jereo ny toko



2Tantara 8:12
8 Rohy Ifampitohizana  

ny mariky ny fitrebika, ny jôgy, ny kôpy volamena madio, ny siny volamena, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny;


Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo.


Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.


Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.


Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.


Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.


Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?»


ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-Tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.