Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 8:11 - Baiboly Katolika

Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida, ny zanaka vavin’i Faraôna, ho ao amin’ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: «Tsy hitoetra ao an-tranon’i Davida mpanjakan’i Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran’ny fiaran’Andriamanitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran’ny fiaran’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nitondra ny zanakavavin’ny Farao niakatra avy tao an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy i Solomona, satria hoy izy: Ny vadiko dia tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Israely, fa masina izay efa nidiran’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.

Jereo ny toko



2Tantara 8:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an’i Salômôna tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, fa nanambady ny zanaka vavin’i Faraôna izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan’i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon’i Iaveh ary manda manodidina an’i Jerosalema.


Ny trano nitoerany dia nataony torak’izany koa, tao amin’ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin’io trano heva io koa izy, ho an’ny zanaka vavin’i Faraôna izay nampakarin’i Salômôna ho vady.


Ary niakatra ny zanaka vavin’i Faraôna avy any an-tanànan’i Davida, ho ao amin’ny tranony, izay nataon’i Salômôna ho azy, ka tamin’izay izy no nanorina an’i Melaô.


250 no lehiben’ny komadaoron’i Salômôna mpanjaka, niandraikitra ny fanapahana ny vahoaka.


Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.


Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»


Ry zanak’olona, atodiho mankany Temàna ny tavanao; ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao, ary manaova faminaniana manohitra ny alan’ny tany atsimo,


Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.