Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 7:9 - Baiboly Katolika

Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nanao ny fivoriana famaranana ny fety izy, fa hafitoana no nanaovany ny fitokanana ny ôtely, ary hafitoana no nanaovany ny fety.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andro fahavalo dia nanao fivoriana lehibe famaranana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andro fahavalo dia nanao fivoriana lehibe famaranana izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

Jereo ny toko



2Tantara 7:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka nivory tao amin’i Salômôna mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito.


Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.


Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;


Ary tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahafito, dia nampodin’i Salômôna ho any an-dainy avy ny vahoaka; samy faly sy ravoravo avokoa, noho ny soa nataon’i Iaveh tamin’i Davida, tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany.


Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy


Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»


Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,


mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.»


Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.


Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»