Levitikosy 23:36 - Baiboly Katolika36 mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201136 Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA36 Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara36 Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy36 Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah hianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. Jereo ny tokoMalagasy Bible36 Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. Jereo ny toko |