Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 7:7 - Baiboly Katolika

Nohamasinin’i Salômôna ny afovoan’ny kianja, eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana mbamin’ny saboran’ny sorom-pihavanana, satria tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny sabora, ny ôtely varahina nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO i Solomona; fa tao no nanolorany ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny sabora.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO i Solomona; fa tao no nanolorany ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny sabora.

Jereo ny toko



2Tantara 7:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.


Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.


Ireo avy no sorona haterinareo ho an’i Iaveh amin’ny fetinareo, afa-tsy ny voadinareo sy ny fanoloranareo an-tsitrapo: ny sorona doranareo, ny fanatitrareo sy ny fanatitrareo araraka ary ny fanati-pihavananareo.