Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
2Tantara 6:2 - Baiboly Katolika Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa efa nanorina trano hitoeranao tokoa aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay. DIEM PROTESTANTA Kanefa izaho efa nanorina trano hipetrahanao, dia toerana honenanao mandrakizay!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa izaho efa nanorina trano hipetrahanao, dia toerana honenanao mandrakizay!» Baiboly Protestanta Malagasy Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. Malagasy Bible Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. La Bible en Malgache Nefa efa nanorina trano hitoeranao tokoa aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay. |
Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.
ny fiaran’Andriamanitra kosa efa nafindran’i Davida, avy any Kariatiarima ho any amin’ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy.
Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy:
sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitrapo, ho an’ny Andriamanitr’i Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema;
mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.
Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.