Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 5:7 - Baiboly Katolika

Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fiaran’ny faneken’i Jehovah dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao anatin’ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny fitoerany tao amin’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima*;

Jereo ny toko



2Tantara 5:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»


Ary hoy izy tamin’ireo Levita nampianatra an’i Israely rehetra, sy efa voahasina ho an’i Iaveh: «Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Salômôna zanak’i Davida mpanjakan’i Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, sy i Israely vahoakany.


Ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan’ny fitoerana masina, araka ny lalàna,


Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.


I Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia samy teo anoloan’ny fiara avokoa. Namono omby sy ondry natao sorona izy ireo ary tsy azo isaina na tombanana fa maro loatra.


Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.


Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken’i Iaveh, dia ny fanekena nataon’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.»


Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao, ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!


Ary amin’ny ilan’ny tempoly dia nandrefy roapolo hakiho izy amin’ny an-davany, ary roapolo hakiho amin’ny sakany, dia hoy izy tamiko: «Io ny fitoerana masina indrindra».