2Tantara 35:3 - Baiboly Katolika3 Ary hoy izy tamin’ireo Levita nampianatra an’i Israely rehetra, sy efa voahasina ho an’i Iaveh: «Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Salômôna zanak’i Davida mpanjakan’i Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, sy i Israely vahoakany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Ary hoy izy tamin’ny levita izay mpampianatra ny Israely rehetra sady efa masina ho an’NY TOMPO: Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, ny vata masina misy ny Fanekena; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny Israely olony; Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA3 Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an’ny TOMPO dia nitenenany hoe: –Ianareo natao hametraka ny Vatamasin’ny Tompo ao amin’ny tempoly, izay nataon’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an’ilay Israely vahoakany; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an’ny TOMPO dia nitenenany hoe: –Ianareo natao hametraka ny Vatamasin’ny Tompo ao amin’ny tempoly, izay nataon’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an’ilay Israely vahoakany; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Ary hoy izy tamin’ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an’i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony hianareo; koa manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; Jereo ny toko |
dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»