ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’i Iaveh ny voninahitr’i Iaveh.
2Tantara 5:14 - Baiboly Katolika Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra. Malagasy Bible ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra. La Bible en Malgache koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra. |
ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’i Iaveh ny voninahitr’i Iaveh.
«Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh.
Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.
Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.
Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.
Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.
ka feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny ny Tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin’ny Tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny Anjely fito.