Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:8 - Baiboly Katolika

Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, dimy teo amin’ny ankavanana, ary dimy teo amin’ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy.

Jereo ny toko



2Tantara 4:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,


Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.


Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.


Izy ireo no hiditra ao amin’ny fitoerako masina; izy ireo no hanatona ny latabatro hanao ny fanompoana Amiko ary hitandrina ny fitsipiko izy.


Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.


Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.


tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.