Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:21 - Baiboly Katolika

ny voniny, ny lalampiny, ny hetin-jiro volamena, volamena madio indrindra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny voniny sy ny lela fitoeran-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran’izay tsara;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran’izay tsara;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny voniny sy ny lela fitoeran-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;

Jereo ny toko



2Tantara 4:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny hazo sedera tamin’ny ati-trano, dia voasikotra vita sarim-boantango sy voninkazo mivelatra. Sedera avokoa izy manontolo fa ny vato tsy nisy hita akory.


Ny rindrin-trano rehetra manodidina na ny atiny na ny ivelany nasainy nosokirina nasiana sarin-kerobima mivohitra sy foto-drofia amam-boninkazo mivelatra avokoa.


Samy nosokirina nasiana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra avy ireo, ary nopetahany volamena mifanarakaraka amin’ny sorany.


Ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan’ny fitoerana masina, araka ny lalàna,


ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.


Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.


Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny: