Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:22 - Baiboly Katolika

22 ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ny trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 ary ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro koa dia samy volamena voafantina; samy volamena koa ny lelam-baravarana teo anatin’ny Trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lelam-baravarana ho amin’ny efitrano lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Samy nosokirina nasiana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra avy ireo, ary nopetahany volamena mifanarakaraka amin’ny sorany.


ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin’ny lahin-tsavily amin’ny varavaran’ny efitrano anatiny, izany hoe: ny Fitoerana Masina indrindra, sy amin’ny varavaran’ny trano, izany hoe ny Fitoerana Masina.


ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.


Nentiny koa ny vilany, ny sotron’afo, ny antsy, ny kapoaka, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, nenti-nanao ny fanompoana.


ny voniny, ny lalampiny, ny hetin-jiro volamena, volamena madio indrindra,


Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.


Ataovy volamena madio ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony.


Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.


Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.


Nentiny koa ny vilany, ny lapelina, ny antsy, ny vilia kely, ny kôpy, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, fitondra manao ny fanompoana.


ary ny varavarana samy kopa-droa, ary ny lela varavarana roa samy nisy takelaka roa misavily, takelaka roa amin’ny lela varavarana iray, ary takelaka roa amin’ny lela varavarana iray hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra