ny tavy sy ny sotron’afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon’i Hirama ho an’i Salômôna ireo, tao amin’ny tranon’i Iaveh.
2Tantara 4:16 - Baiboly Katolika ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo Ingahy Hirama ho an’i Salômôna mpanjaka, ho an’ny tranon’i Iaveh: varahina manganohano ireo zavatra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hiram-aby ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’i Jehovah tamin’ny varahina manganohano. Malagasy Bible Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano. La Bible en Malgache Ny vilany, ny sotron’afo, ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hirama-Aby tamin’ny varahina manganohano ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. |
ny tavy sy ny sotron’afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon’i Hirama ho an’i Salômôna ireo, tao amin’ny tranon’i Iaveh.
Nentiny koa ny vilany, ny sotron’afo, ny antsy, ny kapoaka, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, nenti-nanao ny fanompoana.
Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.
ny mariky ny fitrebika, ny jôgy, ny kôpy volamena madio, ny siny volamena, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny;
zanaky ny vehivavy taranak’i Dàna sy ny lehilahy Tirianina, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin’ireo olo-mahay zavatra atỳ aminao, mbamin’ireo olo-mahay zavatra tamin’i Davida tompoko rainao.
Ary i Hirama nanao ny vilany, ny sotron-davenona sy ny kôpy. Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:
Tao amin’ny tany lemak’i Jordany amin’ny tany be tanimanga, anelanelan’i Sokôta sy i Saredà, no nampanaovan’ny mpanjaka anìdina azy.
Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.
Nataony avokoa ny fanaka momba ny ôtely: ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an’ireo fanaka rehetra ireo.