Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:1 - Baiboly Katolika

Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.

Jereo ny toko



2Tantara 4:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia tao anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:


Nohamasinin’ny mpanjaka androtr’izay ihany ny afovoan’ny kianja eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny ôtely varahina eo anoloan’i Iaveh, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana.


Intelo isan-taona no nanateran’i Salômôna sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin’ny ôtely nataony ho an’i Iaveh, sady nandoro zava-manitra teo ambonin’ny ôtely izay eo anatrehan’i Iaveh koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano.


Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.


Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.


Dia nankao amin’i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: «Efa voadionay avokoa ny tranon’i Iaveh, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy.


Nohamasinin’i Salômôna ny afovoan’ny kianja, eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana mbamin’ny saboran’ny sorom-pihavanana, satria tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny sabora, ny ôtely varahina nataony.


Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.