Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 34:1 - Baiboly Katolika

Valo taona i Josiasa fony vao nanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

VALO taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko



2Tantara 34:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Nanao antso nihatra tamin’ny ôtely izy io, noho ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe: «Ry ôtely! Ry ôtely! Izao no lazain’i Iaveh: Hisy zaza lahy hateraka ho an’ny tranon’i Davida, ka ny anarany hatao hoe: I Josiasa; ny mpisoron’ny fitoerana, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao eo amboninao; ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!»


Ary ny mpanjaka naniraka hamory ny loholon’i Jodà sy i Jerosalema rehetra ho ao aminy.


Efa fito taona i Jôasy fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.


I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.


Roa ambin’ny folo taona i Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.


Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.


Aleo zatovo mahantra sy hendry, toy izay mpanjaka antitra sy adala, tsy mety mihaino torohevitra intsony;


Natao taminy ny tenin’i Iaveh tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona faha-13 nanjakany;


Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taona izay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.


Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»


Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Sôfônia, zanak’i Kozì, zanak’i Godoliasa, zanak’i Amariaza, zanak’i Ezekiasa, tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà.


Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.


Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza.


I Samoela kely kosa, nitombo nitombo ihany, ary sitrak’i Iaveh sy ny olombelona.