Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Valo taona i Josiasa fony vao nanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 VALO taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.


Ary nandefa iraka ny mpanjaka hanainga tsy an-kanavaka ny loholon’i Joda sy i Jerosalema mba ho vory ao aminy.


Feno fito taona i Jôasy fony tonga mpanjaka; ary naharitra efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibià, avy any Beera-Sebà.


Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.


Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.


Fa mba nataon’ny mponin’i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka; ka dia i Jôsià zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.


Aleo tovolahy mahantra nefa hendry toy izay mpanjaka antitra nefa adala tsy azo toroan-kevitra.


Nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda,


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.


Izao no teny nomen’ny TOMPO an’i Tsefanià tamin’ny andro nanjakan’i Jôsià zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda. I Tsefanià dia zanakalahin’i Kosỳ, zafikelin’i Gedalià, zafiafin’i Amarià ary zafindohalik’i Hezekià.


Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000.


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.


Ary nitombo tena i Samoela kely sady nandroso nahatehotia tamin’ny TOMPO sy ny olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra