Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran’i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran’i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy ka nandeha tamin’ny làlan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy fa tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:2
15 Rohy Ifampitohizana  

efa nesoriko ny fanjakana ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ka nomeko anao; nefa ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko.


satria nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Davida ka tsy niala tamin’izay nandidiany azy tamin’ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Orià ilay Hetita ihany.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny avokoa ny toetran’i Davida razambeny fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.


fa noravany ny alitara aman-toeram-panasinan’ireo firenena vahiny, notorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ary nokapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.


Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.


Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra.


Ary nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hezekià, tahaka izay rehetra nataon’i Davida razambeny.


Tamin’ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny; ary efatra taona taorian’izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana na tsatokazo fanajana an’i Aserà, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony.


Aza mivily miankavanana na miankavia; halaviro ny tongotrao ny ratsy.


Eny, araka ny torolalana homeny anareo sy araka ny fomba fitsarana holazainy aminareo no hataonareo; aza mivily miala amin’izany didim-pitsarana hambarany aminareo izany ianareo, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.


Izany no tsy hireharehany ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin’ny didy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho maro andro hanjakàna izy sy ny taranany eo anivon’i Israely.


eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.


Koa himasoanareo, hoy indray i Mosesy, ny hanatanteraka izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ary tsy hivily na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ianareo.


Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.


Noho izany aoka ho hentitra mihitsy ianareo hitandrina sy hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ilay bokin’ny lalànan’i Mosesy, ka aza misy anaovana tsirambina na kely aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra