Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.
2Tantara 3:16 - Baiboly Katolika Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo. DIEM PROTESTANTA Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Any nanao tongalika tao amin’ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy, ka nataony teo amin’ny tongalika ireo. Malagasy Bible Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo. La Bible en Malgache Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo. |
Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.
Ny koronosy nataingina eo ambonin’ny andry roa dia voahodina voan’ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan’ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan’ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray.
Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony.
Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.
ny andry roa, ny boriboriny mbamin’ny loha andry, izay eo an-tampon’ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin’ny loha andry, teo an-tampon’ny andry,
ny voan’ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin’ny loha andry eo ambonin’ny andry.