Dia roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin’ny tongony izy, ary manatrika ny trano ny tarehiny.
2Tantara 3:14 - Baiboly Katolika Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amborodara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao ny efitra lamba tamin’ny kofehy manga sy volomparasy ary jaky sy rongony fotsy madinika izy; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany. DIEM PROTESTANTA Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany. Malagasy Bible Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany. La Bible en Malgache Nanao ny efitra lamba tamin’ny kofehy manga sy volomparasy ary jaky sy rongony fotsy madinika izy; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany. |
Dia roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin’ny tongony izy, ary manatrika ny trano ny tarehiny.
Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;
Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony,
Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: