Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
2Tantara 29:3 - Baiboly Katolika Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO izy ka nanamboatra izay simba tao. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny volana voalohan’ny taona voalohany nanjakany, dia novohany sady namboariny avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny volana voalohan’ny taona voalohany nanjakany, dia novohany sady namboariny avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ny tranon’i Jehovah izy ka namboatra azy. Malagasy Bible Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy. La Bible en Malgache Tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO izy ka nanamboatra izay simba tao. |
Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin’ny andro fahavalon’ny volana, niditra teo amin’ny lavarangana fidiran’i Iaveh izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon’i Iaveh; ary tamin’ny andro 16-n’ny volana voalohany dia vitany.
Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina.
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
«Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,