2Tantara 29:7 - Baiboly Katolika7 Narindriny aza ny varavaran’ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’Israely teo amin’ny fitoerana masina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Ary narindriny ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, dia novonoiny ny jiro sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary tsy natolony tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Israely ny fanatitra dorana manontolo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA7 Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary narindriny ny varavarana amin’ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Isiraely. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Ary narindriny ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, dia novonoiny ny jiro sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary tsy natolony tao amin’ny fitoerana masina ho an’Andriamanitry ny Israely ny fanatitra dorana manontolo. Jereo ny toko |