6 Fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony.
6 Fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony.
«Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»
Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razany dia natolony ho eo an-tanan’i Nabokodonozora ilay Kaldeanina, mpanjakan’i Babilôna, dia noravan’izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.
«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.
ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nanaraka ny lalànao, ka tsy nasiany raharaha ny didinao sy ny teny niampanganao azy.
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›
Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?
«Tsy izany indrindra va no tsaroan’i Iaveh sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema, na ianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo ama-mpanapaka anareo, na ny vahoaka tamin’ny tany?
Tamin’izay, nentiny aho, ho ao amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’i Iaveh, ary indro fa teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’i Iaveh ao anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, nisy lehilahy sahabo ho 25, niamboho ny tempolin’i Iaveh, nitodika niantsinanana, ary niankohoka niantsinanana teo anoloan’ny masoandro.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.