Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?
2Tantara 26:21 - Baiboly Katolika Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka. DIEM PROTESTANTA Dia nianjadian’izany aretin-koditra izany i Hozià mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin’ny trano anankiray izy, sady tsy nahazo niditra tao an-tranon’ny TOMPO intsony. Ka dia i Jôtama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan’ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nianjadian’izany aretin-koditra izany i Hozià mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin’ny trano anankiray izy, sady tsy nahazo niditra tao an-tranon’ny TOMPO intsony. Ka dia i Jôtama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan’ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon’i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka. Malagasy Bible Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka. La Bible en Malgache Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka. |
Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?
Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.
Ary 25 taona i Joatama, fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak’i Sadôka.
Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby.
Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.
Natokana hafitoana tany ivelan’ny toby i Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray i Maria.
Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»