Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 26:1 - Baiboly Katolika

I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY ny vahoaka rehetra tamin’ny Joda naka an’i Ozia, izay enina ambin’ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.

Jereo ny toko



2Tantara 26:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasa, zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka i Amasiasa zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Jodà.


Ka i Azariasa izay 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an’i Amasiasa rainy.


i Amaziasa zanany, i Azariasa zanany, i Joatama zanany,


I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.


Ary nentina an-tsoavaly izy dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida.


Nanorina an’i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin’i Jodà indray, nony efa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.


Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.


Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.


Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.


Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy: