Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.
2Tantara 21:3 - Baiboly Katolika Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin’ny tanàna mimanda amin’i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin’i Jôrama, fa izy no lahimatoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomen’ny rainy harena betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna mimanda sasany tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa. DIEM PROTESTANTA Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna sasany mimànda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa. Malagasy Bible Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa. La Bible en Malgache Nomen’ny rainy harena betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ny tanàna mimanda sasany tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’i Jehorama, satria izy no lahimatoa. |
Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.
Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin’ny zanany no toloran’ny mpifehy fanomezana, dia ho lovan’ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an’izany.