Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
2Tantara 2:15 - Baiboly Katolika «Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin’ny ranomasina hatrany Jôpe, dia ianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa ireny; fa ianao kosa no hampiakatra azy any Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.» Baiboly Protestanta Malagasy ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa; ary hianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema. Malagasy Bible Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema. La Bible en Malgache ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa ireny; fa ianao kosa no hampiakatra azy any Jerosalema. |
Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»
Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.
Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.
Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr’i Libàna, ny sipresy, ny platàna, ny boîsa, handravahana ny fitoerako masina, dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan’ny tongotro.
Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.