2Tantara 2:11 - Baiboly Katolika Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy. DIEM PROTESTANTA Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’i Jehovah sy lapa ho an’ny tenany izy. Malagasy Bible Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy. La Bible en Malgache Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy. |
Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely. Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’i Iaveh anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.»
Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany, ho mpanjaka ho an’i Iaveh Andriamanitrao! Noho ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely, ary mba hampaharitra azy mandrakizay no nananganany anao ho mpanjaka ao aminy, mba hanao ny hitsiny sy ny rariny.»
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!