Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
2Tantara 18:12 - Baiboly Katolika Ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Efa iray teny, milaza soa ho an’ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy isany, mba milazà soa koa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa. DIEM PROTESTANTA Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa! Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka: masìna hianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny anankiray amin’ireo, ka mba mitenena soa koa. Malagasy Bible Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa. La Bible en Malgache Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa. |
Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»
Ka hoy ianao: ‹Inona no fantatr’Andriamanitra amin’izany? Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va Izy?
Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra; efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»
Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
Aza maminany intsony ianareo, hoy izy ireo maminany. Raha tsy misy maminany amin’ireto anefa, tsy hiala ny fahafaham-baraka.