Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 17:12 - Baiboly Katolika

Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nihanahery indrindra i Josafata ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitahirizana tany Joda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nihanahery indrindra i Josafata ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitahirizana tany Joda.

Jereo ny toko



2Tantara 17:12
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.


Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.


Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema.


Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba.


Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.


Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.


Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.


Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.