Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:5 - Baiboly Katolika

5 Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nahazo hery i Hezekia ka namboarina avokoa izay rava tamin’ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny, nasiany manda hafa koa teo ivelany; nanamboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida koa izy sady nanao lefona sy ampinga betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ny mànda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy mànda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida sady nanao lefona aman-ampinga betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Nahazo hery i Hezekia ka namboarina avokoa izay rava tamin’ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny, nasiany manda hafa koa teo ivelany; nanamboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida koa izy sady nanao lefona sy ampinga betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.


Izao no nahatonga azy hikomy amin’ny mpanjaka: Nanorina an’i Melao sy nanampina ny banga tamin’ny tanànan’i Davida rainy i Salômôna.


Ary niakatra ny zanaka vavin’i Faraôna avy any an-tanànan’i Davida, ho ao amin’ny tranony, izay nataon’i Salômôna ho azy, ka tamin’izay izy no nanorina an’i Melaô.


Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?


dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo. Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.


Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.


Tamin’ny taona fahafito, rehefa nihanahery i Jôiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak’i Jerôhama, i Ismaela zanak’i Johanàna, i Azariasa zanak’i Obeda, i Maasiasa zanak’i Adaiasa, ary i Elisafata zanak’i Zekri.


Ary i Amasiasa, mpanjakan’i Jodà zanak’i Jôasy, zanak’i Jôakaza, dia nosamborin’i Jôasy mpanjakan’i Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan’i Jerosalema, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatramin’ny vavahady an-jorony;


Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.


Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.


Tanàna efa afaka ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.


Nony nahita azy ireo i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra sy nivoaka ny tanàna tamin’ny alina, nihazo ny lalan’ny zaridainan’ny mpanjaka, teo amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa izy, dia niditra ny lalana mankany amin’ny tany lemaka.


Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin’ny lalany avy; mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.


Tamin’izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka, teo anilan’ny terebintan’ny tsangam-bato any Sikema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra