Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:4 - Baiboly Katolika

4 Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin’ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, nanao hoe: «Ahoana no hahitan’ireo mpanjakan’i Asiria tonga atỳ ireo, rano betsaka?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamakivaky eo afovoan’ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano betsaka ny mpanjakan’i Asiria raha avy?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Dia vory maro ny olona ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mikoriana anaty lakan-drano ambanin’ny tany. Hoy manko ireo anakampony hoe: «Tsy tokony hahita izao rano be izao ny mpanjakan’i Asiria, rehefa tonga eto!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia vory maro ny olona ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mikoriana anaty lakan-drano ambanin’ny tany. Hoy manko ireo anakampony hoe: «Tsy tokony hahita izao rano be izao ny mpanjakan’i Asiria, rehefa tonga eto!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan’i Asyria, raha avy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamakivaky eo afovoan’ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano betsaka ny mpanjakan’i Asiria raha avy?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.


Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao!»


Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.


Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan’i Osea, zanak’i Elà, mpanjakan’i Israely, no niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria hamely an’i Samaria sy nanaovany fahirano azy.


Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan’i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny,


Ny sisa tamin’ny asan’i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin’ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà.


Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.


Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.


dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.


I Ezekiasa io ihany koa, no nanarona ny fivoahan’ny rano any ambony tamin’ny ranon’i Gihôna, ka nampandeha azy hidina mankany andrefan’ny tanànan’i Davida. Nahomby i Ezekiasa tamin’izay rehetra nataony.


Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?


Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo, halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.


ary ny banga amin’ny tanànan’i Davida, hitanareo fa betsaka. Novorinareo ny rano amin’ny kamory ambany,


Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra