Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
2Tantara 16:13 - Baiboly Katolika Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà; ary tamin’ny taona faha-41 nanjakany no nahafatesany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nodimandry any amin’ny razany i Asa; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efapolo nanjakany. DIEM PROTESTANTA Rehefa maty i Asà tamin’ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin’ny razany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa maty i Asà tamin’ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin’ny razany, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ny razany; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany. Malagasy Bible Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany. La Bible en Malgache Ary nodimandry any amin’ny razany i Asa; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efapolo nanjakany. |
Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.
Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.