Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 13:6 - Baiboly Katolika

Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa kosa Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko



2Tantara 13:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Nanainga tanana tamin’ny mpanjaka, i Jerôbôama, zanak’i Nabata, Efrateanina, avy any Sareda izy; ary vehivavy mpitondra tena atao hoe Sarvà no reniny ary mpanompon’i Salômôna izy.


Nony ren’i Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta i Jerôbôama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin’ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin’i Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon’i Davida afa-tsy ny fokon’i Jodà irery ihany.


Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’i Iaveh any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.»


Dia nomban’i Iaveh izy, ka nahomby tamin’izay rehetra nataony. Niodina tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy, dia afaka tsy nanompo an’io intsony.


Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny taranak’i Davida mandrak’androany.