Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 11:5 - Baiboly Katolika

Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

Jereo ny toko



2Tantara 11:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.


Izao no naoriny: i Betlehema, i Etama, i Tekôe,


Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.


Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.


Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.


Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.


nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.


Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin’ny tanàna mimanda amin’i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin’i Jôrama, fa izy no lahimatoa.


Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.


Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.


Tamin’izany ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna niady tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin’i Lakisa sy tamin’i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin’ny tanànan’i Jodà, tamin’ny tanàna mimanda.