Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 11:18 - Baiboly Katolika

Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Rehabohama dia nanambady an’i Mahalato izay i Jerimôta zanakalahin’i Davida no rainy ary i Abihaîla zanakavavin’i Eliaba sady zafin’i Jisay no reniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Rehabohama dia nanambady an’i Mahalato izay i Jerimôta zanakalahin’i Davida no rainy ary i Abihaîla zanakavavin’i Eliaba sady zafin’i Jisay no reniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Rehoboama naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny;

Jereo ny toko



2Tantara 11:18
6 Rohy Ifampitohizana  

i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,


amin’i Jodà, i Eliò rahalahin’i Davida; amin’i Isakara, i Amrì zanak’i Mikaela;


ka nitera-dahy taminy izy, dia i Jehosa, i Somorià, ary i Zoma.


Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe: «Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotr’i Iaveh».


Lasa nanaraka an’i Saola tany amin’ny ady ny telo lahy zokiny tamin’ny zanak’i Isaï; ary izao no anaran’ireo zanany telo lahy lasa tany amin’ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony.


Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»