Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ny tany taminay, fa nataony ho mpisafo tany izahay.
2Tantara 10:13 - Baiboly Katolika ary teny mafy no navalin’ny mpanjaka azy ireo. Namela ny torohevitry ny zokiolona i Rôbôama mpanjaka, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao teny mafy tamin’ny olona i Rehoboama mpanjaka fa tsy niraharaha ny hevitra nomen’ireo zokiolona azy izy DIEM PROTESTANTA Teny mahery no navalin’ny mpanjaka ireo vahoaka fa tsy noraharahainy akory ny torohevitry ny loholona; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teny mahery no navalin’ny mpanjaka ireo vahoaka fa tsy noraharahainy akory ny torohevitry ny loholona; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ireo zoki-olona azy izy Malagasy Bible Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy La Bible en Malgache Dia nanao teny mafy tamin’ny olona i Rehoboama mpanjaka fa tsy niraharaha ny hevitra nomen’ireo zokiolona azy izy |
Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ny tany taminay, fa nataony ho mpisafo tany izahay.
Vao nahita ireo rahalahiny i Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: «Avy aiza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina.»
Tonga teo amin-dRôbôama i Jerôbôama sy ny vahoaka rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo»;
fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»
Navelan-dRôbôama anefa ny torohevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin’ireo:
Fa hoy i Faraôna tamin’i Môizy: «Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga atỳ anatrehako atỳ intsony, fa izay andro hitranganao atỳ anatrehako dia ho faty ianao.»
Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao, dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.