Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 10:14 - Baiboly Katolika

14 fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an’izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an’izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa dia vao mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 10:14
15 Rohy Ifampitohizana  

ary teny mafy no navalin’ny mpanjaka azy ireo. Namela ny torohevitry ny zokiolona i Rôbôama mpanjaka,


Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon’Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain’i Iaveh tamin’ny alalan’i Ahiasa avy any Silô tamin’i Jerôbôama zanak’i Nabata.


Ny rariny no fihevitry ny marina; fa ny fitaka no fieritry ny ratsy fanahy.


Ny manomboka ady, dia toy ny manata-drano, ka mihataha ianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra.


Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!


Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy? Kanefa izy no ho tompon’ny asako rehetra, izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko tatỳ ambany masoandro. Zava-poana koa izany.


Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany; aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.


Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina.


ny rambony tahaka ny an’ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana.


Io setroka io indray, namoaka valala niely tetỳ an-tany, sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany ireo,


Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra