Samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny olona rehetra mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra ao am-pony.
2Tantara 1:12 - Baiboly Katolika koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao. DIEM PROTESTANTA koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao. Baiboly Protestanta Malagasy dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa hianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao. Malagasy Bible dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao. La Bible en Malgache dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao. |
Samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny olona rehetra mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra ao am-pony.
Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.
Moa tsy izao indrindra va no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin’ny firenena maro; tian’ny Andriamaniny izy; nataon’Andriamanitra mpanjaka amin’i Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin’ireo vehivavy hafa firenena ho amin’ny fahotana.
Dia tafasandratra aho, ary tafahoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema, ary na ny fahendreko aza, mbola nipetraka tato amiko ihany.
Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany, satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.