Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an’Andriamanitra. Izaho no Iaveh.
1Timoty 5:1 - Baiboly Katolika Aza anarina mafy loatra ny anti-dahy, fa anaro toy ny ray izy; ary ny tovolahy, toy ny rahalahy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mamely mafy loatra ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny ray izy, ny tovolahy dia toy ny rahalahy, DIEM PROTESTANTA Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy; Baiboly Protestanta Malagasy AZA mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, Malagasy Bible Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, La Bible en Malgache Aza mamely mafy loatra ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny ray izy, ny tovolahy dia toy ny rahalahy, |
Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an’Andriamanitra. Izaho no Iaveh.
Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Nony tonga tany Jerosalema izy ireo, dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apôstôly mbamin’ny Pretra, ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.
Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.
Koa ataovy amin’izy rehetra àry izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ary haja ho an’izay tokony hohajaina.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankatò ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
Izaho anti-dahy, mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina - ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, -
Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.