Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 4:2 - Baiboly Katolika

izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany.

Jereo ny toko



1Timoty 4:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy taminy: «Izaho koa anie mpaminany toa anao ihany, ary nisy Anjely niteny tamiko, noho ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy, mba hihina-mofo sy hisotro rano.» Laingany anefa izany.


Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh: Hanambaka azy ianao, sady hahomby amin’izany, ka mivoaha àry, ataovy izany.


Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very.


Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.


Mandra-pahoviana?... Moa kendren’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga, ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,


Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. -


Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!


Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.


Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;


Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.


Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,


Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.


dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;


ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra.


ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.


Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -