Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 4:2 - DIEM PROTESTANTA

2 izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga izay voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 4:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: –Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: «Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.» Kanjo nandainga taminy izy.


Dia hoy izy: «Handeha aho, ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba rehetra». Ary hoy indray ny TOMPO: «Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha àry ka ataovy!»


Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.


Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»


Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?


Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Avy eo amin’ny samy ianareo ihany aza no hisy hijoro hilaza lainga mba hitaomany ny mpianatra hanaraka azy.


Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin’ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin’ny fahalotoana isan-karazany.


hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny!


Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra