Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
1Timoty 3:8 - Baiboly Katolika Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny diakona koa dia toy izany ihany, ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, DIEM PROTESTANTA Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena, Baiboly Protestanta Malagasy Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, Malagasy Bible Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, La Bible en Malgache Ny diakona koa dia toy izany ihany, ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, |
Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
Tompo ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko, ataovy marina amin’ny diako ny lalanao.
fony i Dôega, Edômita, tonga nilaza tamin’i Saola hoe: Nankany an-tranon’i Akimeleka i Davida.
Rehefa mety no mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin’ny kianja anatiny.
«Aza misotro divay na fisotro mahamamo ianao, sy ny zanakao koa, rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo,
Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony;
I Paoly sy i Timote, mpanompon’i Jesoa Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny Pretra sy ny Diakra any Filipy:
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika.
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;
amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,
koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry kristianina havako.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;