Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.
1Timoty 3:2 - Baiboly Katolika Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, DIEM PROTESTANTA Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana; Baiboly Protestanta Malagasy Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, Malagasy Bible Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, La Bible en Malgache Koa ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, |
Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.
Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy,
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,
handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
Aza malaky mametra-tanana amin’iza na iza, ary aza miombona ota amin’olona, fa tahirizo madio ny tenanao.
Ny soratana ho isan’ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enimpolo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,
Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,
amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.