dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
1Timoty 3:13 - Baiboly Katolika Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. DIEM PROTESTANTA fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Malagasy Bible Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. La Bible en Malgache Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahatokiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy* Jesosy. |
dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hanapaka tanàna folo ianao.
Nony tonga teo amin’ny ambaratonga, dia nobatain’ny miaramila i Paoly, noho ny vahoaka efa nifanesika loatra,
Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.
Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.
Ary feno fahasoavana sy herim-po i Etienina, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.
Izao koa no hafatra ataoko aminareo, ry kristianina havana: fantatrareo fa ry i Stefanasy, dia voaloham-bokatra tany Akaia, sady nanokan-tena hanampy ny olona masina,
ka nahazo toky noho ny fifatorako ny ankabeazan’ny rahalahy ao amin’ny Tompo, ary voa mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy aman-tahotra.
fa nony avy nampahorîna sy nalàm-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatỳ aminareo, tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.