Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
1Timoty 2:9 - Baiboly Katolika Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy, DIEM PROTESTANTA Toraka izany koa ny vehivavy: tiako mba hihaingo maotina tsara sy mahalala onony izy ireo ka hitondra fitafiana mendrika, tsy hanao taovolo mihaitraitra, tsy hirenty volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toraka izany koa ny vehivavy: tiako mba hihaingo maotina tsara sy mahalala onony izy ireo ka hitondra fitafiana mendrika, tsy hanao taovolo mihaitraitra, tsy hirenty volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, Malagasy Bible Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, La Bible en Malgache Toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, nefa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vatosoa na fitafiana sarobidy, |
Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.
Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.
Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray manao fitafian’olon-janga, manafin-kevitra am-po.
Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,
Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny; hamboatra ny tanàna simba, mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.
Manadino ny firavany va ny zazavavy, sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady? Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy, hatramin’ny andro efa tsy hita isa!
Inona indray no hataonao, ry ilay noravana? Na dia hiakanjo jaky aza ianao, ka hiravaka haingo volamena sy hitentina ny manodidina ny masonao, dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao; fa manamavo anao ireo lehilahinao, ny ainao no tadiaviny halàna.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.