Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 61:4 - Baiboly Katolika

4 Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny; hamboatra ny tanàna simba, mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Koa hanangana ny efa rava hatry ny fony fahagola izy ary hamboatra ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaoziny indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka nifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; hohavaozina ny tanàna rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; hohavaozina ny tanàna rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, Ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, Dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Koa hanangana ny efa rava hatry ny fony fahagola izy ary hamboatra ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaoziny indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka nifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 61:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.


I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà


Ny dianao tariho ho eo amin’ireo korontan-javatra tsy azo amboarina; simban’ny fahavalo avokoa izay teo amin’ny fitoerana masina.


Miaraha mihoby an-kafalina, ry Jerosalema rava! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an’i Jerosalema.


Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.


Ho avy ny andro hananganana ny mandanao indray; amin’izany andro izany hofoanana ny didy.


Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra