Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo; mbamin’ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.
1Petera 2:19 - Baiboly Katolika Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA satria izao no ankasitrahin’Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria izao no ankasitrahin’Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. Malagasy Bible Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. |
Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo; mbamin’ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.
Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho.
Aoka tsy hifalian’izay mamely ahy foana aho! Aoka tsy hihiringiri-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana!
Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.
Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.
Mampandre anareo izahay, ry kristianina havana, fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;