Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 4:18 - Baiboly Katolika

Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin’ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin’ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko



1Jaona 4:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Feo mahatsiravina no migingìna ao an-tsofiny, raha eo afovoan’ny fiadanana izy no irotsahan’ny mpandrava.


Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho.


Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!


Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: «Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.»


Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!


Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.


Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.


Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.


Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.