1Jaona 3:7 - Baiboly Katolika Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo. Izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. DIEM PROTESTANTA Rey anaka, aza avela hisy hamitaka anareo; izay manao ny marina soritan’Andriamanitra ihany no marina tahaka an’i Jesoa Kristy koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rey anaka, aza avela hisy hamitaka anareo; izay manao ny marina soritan’Andriamanitra ihany no marina tahaka an’i Jesoa Kristy koa. Baiboly Protestanta Malagasy Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. Malagasy Bible Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. La Bible en Malgache Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo. Izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. |
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny, na aiza na aiza firenena misy azy.
satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.
Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao.
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; mpanjakan’ny fahamarinana no hevitr’anarany voalohany, vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe mpanjakan’ny fiadanana;
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany nateraka avy aminy.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.
Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’ity fiainana ity.